Grevin’ny FOFIFA

Miandry ny vahaolana nampanatenaina vao tena hiato…


  • Zoma 06 Septambra 2024

Niditra tamin’ny andro faha-23 omaly ny grevin’ny mpiasan’ny FOFIFA

Foibem-pirenena momba ny Fikarohana Ampiharina amin’ny Fampandrosoana eny Ambanivohitra). Niroso tamin’ny Fivoriambe izy ireo omaly 05 septambra ka nandritra izany no nanapahana sy nampitana fa: "Tanteraka avokoa ny fihaonana tamin'ireo Raiamandreny afaka manatanteraka ny fitakian'ny mpiasa dia ny hanesorana eo amin'ny toerany ny Tale Jeneraly am-perinasa noho ireo antony maro isan-karazany izay ananana porofo sy afaka hijoroan'ireo vavolombelona maro. Efa nanome toky izy ireo fa tsy hitazam-potsiny izao olana lalovan'ny FOFIFA izao fa mangataka kosa ny hanesorana ireo sora-baventy na « banderoles » manamarika izany fitakiana izany mialohan'ny hivoahan'ny fanapahan-kevitra mba ho famahàna ny olana, hoy ny tatitra. Noho izany, nanapa-kevitra ny fivoriambe fa: voalohany, hoesorina aloha ireo « banderoles » ireo saingy ny fitokonana dia ho tohizana amin'ny endriny hafa manomboka amin'ny alatsinainy 09 Septambra. Faharoa, na dia miandry am-pitoniana izany fanapahan-kevitry ny Raiamandreny izany aza ny mpiasa dia nanapaka kosa fa mandritra ny fotoana voafetra ihany aloha izany ka ho ampanarahana amin'ny fivoaran'ny toe-draharaha, raha ny tatitra. Andrasana indray izany ny fivoarany ato ho ato !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT