Sosialy

Governemanta Japoney Nanome fanampin-tsakafo 6.000 baoritra ny any Atsimo


  • Zoma 20 Martsa 2020

Nifarana ny tetikasa fanamafisana ny fanarahamaso ny fanjariantsakafo tany amin’ny distrika 8 any amin’ny tapany Atsimon’i Madagasikara.

 

 

Ny UNICEF niaraka tamin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka no nanatanteraka izany, nandritra ny herintaona, ary novatsian’ny governemanta japoney vola. Mihoatra lavitra ny tanjona napetraka ny vokatra azo tamin’izany, araka ny tatitra nataon’ny UNICEF. Zaza 6 hatramin’ny 59 volana miisa 185 000 mantsy no voatily tao anatin’izay herintaona izay ary miisa 14 255 kosa ireo izay tratran’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika no voatsabo. Ankoatra izay dia renim-pianakaviana miisa 27 000, tany amin’ireo distrika 8 ireo no nahazo fiofanana momba ny fitiliana ny tsifanjariantsakafo mahery vaika ; fanampin-tsakafo “Plumpy’Nut” 5 000  baoritra no natolotry ny UNICEF sy ny masoivohon’i Japana ho an’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, hanamafisana ny fitsaboana an’ireo zaza mila tohana ara-tsakafo haingana. Mbola nampian’ny governemanta japoney 6 000 baoritra io “Plumpy’Nut” io, ka omaly no nanoloran’Atoa Higuchi Yoshihiro, masoivohon’i Japon eto Madagasikara sy Atoa Michel SAINT-LOT, solontenan’ny UNICEF eto amintsika, an’izany, tamin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Tanjona ny hanohizana ny ezaka atao amin’ny ady ho amin’ny fanjariantsakafo, na mifarana aza ity tetikasa ity.

 

Marigny A.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT