Sosialy

Governemanta Amerikanina Nahatonga fanampiana 271taonina any Atsimo


  • Alakamisy 07 Janoary 2021

Nanara-maso ny fahatongavan'ny andiany voalohany amin'ny fanampiana ara-tsakafo avy

 

amin'ny tetikasa Firanga tohanan'ny USAID Madagascar, izay tonga tao Toliara ny Mpanolontsaina voalohan'ny Masoivoho Amerikana Tobias Glucksman ny 30 Desambra teo, hoy ny fampitam-baovaon’izy ireo. Sakafo sy menaka mihoatra ny 271 000 kg na 271 taonina no efa tonga any amin’ny trano fitehirizana, ary ampahany ihany izany. Sakafo fanampiny mihoatra ny 7000 taonina no ho tonga afaka volana vitsy hanampiana ireo olona ianjadian'ny haintany any atsimo. Mahafaly ny governemanta Amerikana ny maha-lohaharana azy amin'ny fitondrana fanampiana ara-tsakafo sy fitaovam-pamokarana ho an'ny tapany atsimon'i Madagasikara, hoy ny Masoivoho Amerikanina. Vao tsy ela izay no nanambarana ny fanomezana 100 tapitrisa dolara hamatsiana tetikasa telo hanatsarana ny fiahiana ara-tsakafo any atsimo sy atsimo-atsinanana. Fanampiana izay mitovana amin'ny fanampiana noho ny hamehana mitentina 100 tapitrisa dolara nampiasaina tany atsimo nanomboka ny taona 2015. Mpirahalahy mianala, hoy hatrany ny Masoivoho Amerikanina eo anatrehan’ny fitondrana fanampiana ho an’ireo Malagasy any Atsimo.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT