Sosialy

Goragoran’ny rafitra mpaka fako RF2 sy ny fokontany Notsikerain’ny delegen’ny boriborintany fahatelo


  • Alatsinainy 10 Desambra 2018

Manoloana ny fomba fiasan’ny rafitra mpaka fako eo anivon’ny boriborintany fahatelo na RF2 dia nitondra fanazavana mikasika ny antony maha goragora azy io ankehitriny ny delegen’ny boriborintany fahatelo, Hery Razafintsalama.

 

 

 Ny zava-misy eto, hoy izy, dia saika hita koa any amin’ireo boriborintany hafa. Manao boribory vetaveta na “cercle vicieux” io. Ohatra izao toy ilay mitranga any amin’ilay fokontany iray hoe handeha fialantsasatra na “conge” nanomboka ny 28 novambra ka hatramin’ny 15 janoary ireo mpiasa dia tsy hisy RF2 hiasa izany ao mandritr’izay fotoana izay. Tsy mahagaga raha kamo handoa vola ny olona, hoy ny fanazavany, satria tsy misy maka ny fakony. Na dia miankina amin’ny fokontany aza ny RF2 fa tsy ny boriborintany, hoy hatrany ny tenany, dia karamaina satria mivelona ireny mpiasa ireny. Ny zavatra hita dia tsy ampy ny fitaovana ary reraka amin’ny enti-manana. Na izany aza anefa, hoy izy, dia mijery ny lafiny tsara hatrany amin’ny fiaraha-miasa amin’ny RF2 izay miasa manadio ny elakela-trano ary mitondra ny fako hatrany anaty bakan-jaoridira izahay. Antony io hiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka, toy ny Positive Planet. Fokontany 5 toa an’i Tsaramasay sy Ankazomanga, izany hoe ireo faritra iva, hoy izy izao no novatsianay ara-pitaovana farany teo. Ankehitriny tsinona dia fokontany 15 isa amin’ny 34 sisa no misy RF2. Tany am-boalohany, hoy izy, raha ny teto  Antaninanandrano Ampandrana manokana dia efa nisy endrika RF2 tsy miankina amin’ny fanjakana ny taona 2000. Nizotra tsara ny fomba fiasa tamin’izany. Maninona, hoy ny tenany, nony nankinina tamin’ireo fokontany dia lasa goragora. Nomarihin’ny delege moa fa mpandrindra sy mpanara-maso ny boriborintany fa ny fokontany no tena mikarakara ny RF2 ary maka ireo vola mivantana amin’ny mponina eny amin’ny fokontany.

J. Mirija

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT