Globo vision sy VAHT

“Mila malagasy tsy maintsy miasa vao mihinana isika!”


  • Talata 19 Desambra 2023

Marobe ny olona manam-pahaizana ao Toliara, hoy ny Vovonana andao hampandroso an’i Toliara

na VAHT. Manana “licence” na “Maîtrise” nefa lasa mpitarika posy, hoy ny fanazavana. Zava-dehibe, noho izany, ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa Globo vision développement à Madagascar sy ny VAHT izay hifantoka amin’ny sosialim-bahoaka sy fampananan’asa. Isaorana ireo filoha am-boninahitra miisa 2 dia ireo nanorina ny orinasa, Jean Nirina Rafanomezantsoa sy Julia Michaella Rasolofonoroniaina na Mishah. Mangataka ny filoham-pirenena, Andry Nirina Rajoelina, mba hanantanteraka ny teniny hoe hijery ny tanora sy ny vehivavy ary hanome asa. Tsy manavaka izay te hiditra eto anivon’izao tetikasa izao izahay fa na iza vonona dia raisinay, hoy hatrany ny VAHT. Tsy maintsy ny vahoaka no hetsehina, hoy kosa ny filoha am-boninahitra, Jean Nirina Rafanomezantsoa, satria teo amin’ny tantaram-pirenena malagasy dia ny vahoaka no matetika natory. Tsy tokony hiandry toloram-potsiny fa mila miray hina. Tsy misy vahoaka te hijaly izany. Izany no antony ifotoranay amin’ny fambolena izay mifototra amin’ny rano, zezika, masomboly. Mila malagasy tsy maintsy miasa vao mihinana sy mampiroborobo ny zava-misy eto Madagasikara isika, hoy hatrany ny Globo vision sy VAHT!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT