GLOBO VISION DEVELOPPEMENT

Vaky ny ady amin’ny tsy fananan’asa


  • Talata 16 Janoary 2024

Ny tsy fananan’asa no anisan’ny antony mampirongatra ny tsy fandriampahalemana eto amintsika.

Rehefa noana mantsy ny olona iray nefa tsy an’asa dia lasa manaotao foana izy mba hihinanany sy ny ankohonany. Izany indrindra no antom-pisian’ny Globo Vision a Madagascar etsy Anosizato Andrefana raha tsiahivina orinasa hamorona asa ho an’ny mpiara-belona, nitsangana efa volana vitsivitsy izao. Tafiditra ao anatin’ny vinan’izy ireo koa ny mba hananan’ny mpiara-belona trano fonenana, fahasalamana, ny hisian’ny fandriampahalemana ary ny mba hahafahany mampiana-janaka mba ho fitsinjovana ny ho avin’ny taranaka. Tsy hiandrasana ny mpitondra irery ny fanatanterahana izany hoy Rasolofonoroniaina Julie Mickaelle, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ity orinasa ity omaly fa tsara raha mandray andraikitra ny rehetra. Ny fahantrana lalina mahazo ny Malagasy mantsy hoy izy no fahavalo iombonana na ho an’ny mpitondra na ho an’ny mpanohitra fa tsy olombelona raha tiana handroso i Madagasikara. Ho azy ireo manokana araka izany dia olona marobe no efa nahita asa hatreto na manana diplaoma na tsia. 18 taona ka hatramin’ny 80 taona izy ireo, noraisin’ny orinasam-pifandraisana Orange Madagascar raha mbola ho avy ihany koa ireo orinasa lehibe sasany hafa. Tsy misy tombony ho anay izany hoy Rasolofonoroniaina Julie Mickaelle na kely aza. Aminy mantsy dia ny olona no harena fa tsy ny vola velively.
Pati
Legende : Rasolofonoroniaina Julie Mickaelle, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny orinasa Globo vision developpement a Madagascar !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT