GLOBO VISION-ADY AMIN’NY FAHANTRANA

« Mila ezaka ny vahoaka fa tsy hiandry fanjakana fotsiny »


  • Alarobia 24 Janoary 2024

Ny fahantrana no anisan’ny fahavalo iombonana tokony

hiadivan’ny rehetra fa tsy olona raha tiana handroso i Madagasikara. Ho an’ny vahoaka tsy mandady harona dia mila ezaka izy ireo fa tsy hiandry fanjakana fotsiny ihany raha araka ny hevitry ny Globo vision developpement a Madagascar tarihin’ny filoha tale jeneraliny Rasolofonoroniaina Julia Mickaelle. Ho an’ny fanjakana indray hoy izy ireo dia tsy vitan’ny fisehosehoana ivelany fotsiny ihany izany fa mila mahafantatra ny tolotra sy ny tinady, ny fitsinjovana ny mahaolona ary indrindra fitondran-tena mendrika. Mila mahalala ny tsiny sy ny tody ihany koa ary ny fisian’Andriamanitra. Izany no antom-pisian’ny Globo vision. Manana ezaka ny filoha hoy izy ireo saingy tsy mety kosa raha tsy hitany ireo tena olana fototra hahafahana miady amin’ny fahantrana eto amintsika. Antony mandiso fanantenana sahady ireo mpanara-dia azy izany raha araka ny fahitan’ny Globo vision azy ka tokony hanetsehany olona maro manana traikefa, izay tsy voatery omena seza na toerana fa hijery manontolo ny resaka sosialim-bahoaka kosa. Tsy asa fotsiny no tokony omena ny olona fa ilaina ihany koa ny famoronan’asa hoy izy ireo satria tsy ampy intsony ny karama isam-bolana vokatry ny fitontongan’ny sandam-bola Malagasy. Nandefa fanasana any amin’ireo Masivoho misy eto amintsika , ny Ministera, ny Prezidansa ….izy ireo omaly hahafahany mizara izany hevitra tsara hananany hahafahana miady amin’ny fahantrana eto Madagasikara izany.
Pati
Legende : Vonon-kiady amin’ny fahantrana ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Globo Vision Developpement a Madagascar !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT