Adihevitra tsy mety vita ary mbola hitohy ny mahakasika ny tetikasa « Tanà-Masoandro »,
hisiana fanotofana tany lehibe eny Ambohitrimanjaka sy ny manodidina. Tsy misy tetikasa sy vinam-pampandrosoana ratsy izany, ary tena zava-dehibe ilain’Antananarivo amin’izao fotoana izao ny fanitarana ny renivohitra. “Zone résidentielle, industrielle commerciale sy administrative kasaina haorina amin'ny velarana 1000Ha, mety handray mponina hatramin'ny 350 000 », ambara fa hitazona ny 42% amin’ny harin-karena eto Madagasikara. Ny olana mipetraka kosa dia ny fanotorana tany, izay mahatonga ny olona hitroatra. Tsy ampy fandresen-dahatra sy serasera ary fandalinana lalina ny fanjakana Rajoelina amin’io. Toa any amin’ny tetikasa teo aloha indray aza no handaniana ron-doha hoe nahoana tamin’ny fanamboaran-dalana, toy ny “Rocade” no tsy nanohitra ny olona. Mifandraika betsaka amin’ny soatoavina Malagasy ny resaka tany ka marary ny olona. Ny tany Soamahamanina aza tsy tanimbary fa havoana lohasaha no notrongisin’ny sinoa, saingy nitsahatra tanteraka. Ny olon’ny fitondrana ankehitriny dia anisan’ny niady mafy ny hampitsaharana izany. Mitentina 2575 miliara ariary na 650 tapitrisa dolara ny «cœur du projet », izay nambara tany aloha fa 370Ha eo. Ankehitriny mihena ho 100Ha indray no hatao aloha. 380.000Ar isaky ny m2 ary 250Euros raha « zone résidentielle », ka 120 000Ar ny tomban'ny « viabilisation » ao anatin’ny tombam-bidin’ny fanorenana.
Any amin’ny fanotorana no toa mahamaika ny fanjakana fa izay hamatsy vola mbola baraingo. Volam-panjakana sa volan’iza ? Tsy maintsy miainga amin’ny 3P (Partenariat Public Privé) ny famatsiam-bola fa tsy volam-panjakana. Inona no tambin’izay ? Tsy tena mazava ny bokin’andraikitra sy ny ho tombontsoan’ny olona ao anatin’io. Zary milentika ao an-tsain’ny maro ny hoe: natao ho an’ny vahiny sy ny manan-katao io fa tsy ho an’ny sarambabem-bahoaka. Raha ny tantara no zohiana, efa tamin’ny andron’ny faha mpanjaka no nanajariana iny lemak’i Betsimitatatra andrefan’Antananarivo iny hisorohana amin’ny tondra-drano eto Antananarivo. Rano mahatratra 15.000.000 m2 no angoniny tsy hahatondraka ny tanàna. Efa voadinika lalina ve izany ? Tena tsy maintsy eny ve no hanatanterahana azy ? Lasa resaky ny moana sy ny marenina ny raharaha.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.