Niaina tao anaty savorovoro tanteraka ny mponina nanodidina an’i Vatofotsy Antsirabe sy iny lalana mihazo an’Ambano iny nandritra ny roa andro izay.
Voatery niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana satria nivadika fandrobana ny raharaha ary niafara tamin’ny doro trano sy famotehana fananan’olona. Mpandraharaha iray mpivarotra kojakoja fanorenan-trano isan-karazany ireny ity lasibatra. Raha ny fanadihadiana tsotsotra, nisy hifandraisany tamina resaka vono olona niniana natao ny harivan’ny taom-baovao no niavian’ny resaka. Raha tsiahivina, nisy zazavavy roa hita faty tao Antsirabe ny harivan’ny taom-baovao io, dia ilay teo avaratry ny Imperial Hotel sy ny teny Atsinanan’ny Gara. Nitovy ny fomba namonoana azy roa ireto satria toa nosemporina tamin’ny harona « sachet » avokoa, ary mbola hita teo ireo « sachet » teo amin’ny lohany. Ilay zazavavy hita faty farany tany Atsinanan’ny gara moa dia mbola hita teny aminy, hono, ny findainy ka izay resaka sy fifandraisana farany tao no nisamborana ny tovolahy tsy nampoizin’ny maro fa nahavita namono ireo zazavavy ireo raha ny siosion-dresaka teny anivon’ny mpitandro ny filaminana. Hita tany anatin’ilay finday avokoa mantsy ny resaka ka nosamborina ilay zazalahy. Teo no niainga ny savorovoro satria dia notadiavin’ny fokonolona ireo ray aman-drenin’ilay zazalahy ary dia nanomboka ny fandrobana sy fandorana trano. Potika ny sabotsy hariva ary nitohy ny alahady maraina ny fandravana sy fandrobana ny tranon’ireo olona tao amin’iny lalan’Ambano iny, ary dia nalain’ny olona izay azo nalaina rehetra hatramin’ny entana toy ny vy hamidy sy ireny kojakoja fanaovan-trano ireny. Nikasa ny handroba ilay teo Vatofotsy indray ny olona saingy voaaron’ny mpitandro ny filamianana ihany na dia efa nisy lasa tamin’ny ampahany ihany aza. Ny alahady dia nanomboka nivorivory indray ny olona nikasa handoro ilay trano manamorona ny arabe iny, saingy teo aloha ny Emmo-Reg niaro. Raikitra ary ny tora-bato sy ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso, izay efa tsy voaisa intsony, saingy tsy niala ny olona. Nanomboka ny fisamborana ireo mpitora-bato ny mpitandro ny filaminana ka efa nahatratra ho 8 no voasambotra aloha hatreto. Nanomboka avy moa ny orana tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany tany ho any ary niparitaka kely ireo olona. Vao nitsahatra indray ny orana dia injao indray ny poa-basy sy fandefasana baomba mandatsa-dranomaso, ka tovolahy iray no voa teo amin’ny sorony ka nentina any amin’ny hopitaly. Raha ny fantatra dia toa rahampitso talata no hatolotra ny fampanoavana ilay zazalahy voalaza ho mpamono olona satria nanambara, hono, izy fa izy anisan’ny nanao ilay vono olona notetitetehana tao Antsirabe ireny, izay efa niisa roa. Andrasana indray ny tranga hiseho anio.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.