Olona 25 nohenoin’ny fampanoavana, ka 4 no nadoboka am-ponja vonjimaika noho ny raharaha Ambovombe, dia ny mpitam-bolan’ny kaominina Ambovombe Maharavo Jonarson,
ny Lefitry ny ben’ny tanàna Jaona Zandry, olona 2 tamin’ny vahoaka noho ilay sakoroka fifanorehana momba ny fananganana tsena manara-penitra, ka nahafatesana olona ny alarobia teo. Re fa mbola misy lefitry ny ben’ny tanàna sy assistant parlementaire an’ny depiote Milavonjy Philobert karohina. Andian-jiolahy malaso, mpandroba, avy any ivelan’ny tanàna no nalain’ny depiote Milavonjy Philobert fa tsy ny olona no manohitra, hoy ny Kestora Voalohan’ny Antenimieram-pirenena Depiote Jean Michel Henri. Namidiny tamin’ireo olona fony izy ben’ny tanàna, ka matahotra ny hitakiana ny vola ity depiote ity, hoy izy. Nilaza kosa ny Depiote Milavonjy Philobert fa ny tena olana, dia efa nisy toerana notapahan’ny Filankevitra Monisipaly fa hanaovana ny fotodrafitrasa, saingy nilaza ny eo anivon’ny Fitantanana ny Faritra fa eo an-tsena no mety aminy. Samy nitazona ny heviny, ka teo no niteraka ny fifandonana, ary nambarany fa tokony hifampihaino. Efa 20 taona ny adinay sy ny Kestora Jean Michel, dia voiziny amin’izany ilay izy hoe: izaho no ao ambadika, hoy izy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.