Sosialy

GFFM Analamanga Nanao famorana faobe zazalahy 110 isa


  • Alatsinainy 03 Jolay 2023

Zazalahy manodidina ny 110 isa no noforaina faobe tetsy amin’ny foiben’ny antoko politika GFFM na Gideona

fandresena ny fahantrana eto Madagasikara omaly, hoy ny fampitam-baovao voaray. Tafiditra anatin’ny asa sosialy fanaon’ny antoko izany, hoy ny fanazavana, ary niarahana tamin’ny birao politikan’ny antoko eto Analamanga. Mandray anjara amin’ny fanabeazana maha olompirenena ny GFFM ary mampirisika ny olompirenena ihany koa hanara-maso ny lisi-pifidianana. Iaraha-mahalala koa nefa ny zava-misy ilana fifanomezan-tanana eto amin’ny firenena ankehitriny. Ao ny fahasahiranana isan-karazany sy fahantrana. Antony nahatonga ny GFFM Analamanga nandray an-tanana ny sarany mety omena ny dokotera ao anatin’izao famorana faobe izao izany. 2 taona lasa izay, noho ny antony maro samihafa, dia nisy fiatoana kely ity hetsika ity. Ankehitriny dia ho santatry ny hetsika ara-tsosialy ho ataon’ny antoko eto Analamanga indray kosa izany satria tena ilaintsika ny fifanomezan-tanana amin’izao, hoy hatrany ny GFFM Analamanga.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT