Sosialy

Gare Routière MAKI Andohatapenaka Lasa gaboraraka tanteraka


  • Sabotsy 13 Aprily 2019

Lasa gaborakaka tanteraka ny eny amin’ny toby fiantsonan’ny taksibrosy eny Andohatapenaka amin’izao fotoana. Ankoatra ny fisian’ireo mpanera izay mandrirotra ireo mpandeha etsy sy eroa mantsy dia efa feno mpivarotra amoron-dalana ihany koa eny an-toerana ka mampitaraina ny maro.

 

Raha araka ny fanazavan-dRakotomavo Philippe filoha lefitra misahana ny toby fiantsonana eny Ambodivona sy Andohatapenaka omaly dia efa ao anatin’ny fanatsarana  izany tanteraka izy ireo ankehitriny. Nomarihiny fa manana andraikitra feno ny mpandeha sy ny filohan’ny koperativa. Ho an’ireo mpandeha, ohatra, dia tsy tokony hanatona  olona afa-tsy ireo manana “badge” izy ireny,  hoy izy hanavahana ny tena mpiasa eo anivon’ny tobim-piantsonana sy ny mpanera. Toraka izany koa ireo tena mpiasa izay  tokony ho sarotiny amin’ny asany ka hanontany ireo olona hafahafa hita fa  mety hanimba ny asany sady tsy manara-dalàna ihany koa. Ho an’ny filohan’ny koperativa indray dia nomarihin-dRakotomavo Philippe manokana fa mila mahay hifehy ny mpiasa eo ambany fiadidiany ihany koa izy ireny  hisorohana ireo karazan’olana mety hitranga. Nomarihiny manokana fa hatrany am-piandohana mihitsy no efa ratsy fiomanana ny fifindrana teny amin’ny tobim-piantsonana Andohatapenaka. Maika ny hampiseho fa nahavita zavatra mantsy ny mpitondra teo aloha nefa fotodrafitrasa poakaty sy tsy manjary akory no nomeny  novantanin’ny mpitatitra izay tsy afa-nanoatra ka nifindra tsy fidiny.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT