Sosialy

Garduc Madagascar “Lafo loatra ny rano fisotro madio ao Betafo”


  • Zoma 28 Aogositra 2020

Tsy mitsahatra ny miakatra andro aman’alina ny saran’ny rano fisotro madio ao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Betafo Antsirabe amin’izao fotoana izao ka mikaikaika noho izany ny mpanjifa any an-toerana ary velon-taraina amin’ny tompon’andraikitry ny Garduc Madagascar

 

“Vondrona Miaro ny Zo sy ny Tombontsoan’ny Mpanjifa” any amin’ny Faritra Vakinankaratra tarihin’Atoa Ratiariniaina Jean Theobert “Ra-Théo Fibemih”. Marihana fa orinasa iray tsy miankina no mitantana ny fizaran-drano ao Betafo ankehitriny ka raha 3 000 ariary isan-tokantrano isam-bolana no fandoan’ny olona tamin’ny fitantanan’ny Kaominina izany teo aloha dia lasa niakatra be tonga 400 % hatran’ny amin’ny 800 % izany ankehitriny. Lasa tompony mangatak’atiny sy mangetaheta am-pototry nyrano ny mponin’i Betafo. Efa nisy ihany ny hetsika natao tany aloha nanoherana izany tsy ara-drariny izany fa tena fambotriam-bahoaka tanteraka no azo ilazana azy. Mitombo ny vola mivoaka isan-tokantrano nefa ny vola miditra midina vokatr’ity fihibohana noho ny fahamehana ara-pahasalamana ity. Mbola manao antso avo sy fanairana ary fitarainana amin’ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany hatrany amin’ny Filoham-pirenena ny Garduc Madagascar Faritra Vakinankaratra hijery akaiky faran’izay haingana ny zava-misy ara-pamatsian-drano any Betafo Antsirabe amin’izao ady amin’ny covid 19 izao.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT