Misafotofoto be ihany ny tarehimarika tamin’ilay tranga teny Anosizato ny sabotsy maraina teo; misy ny nilaza fa manodidina ny 70 ireo mpiasa tratry ny tsy fahatomombanana tampoka
noho ny fofona mahery vaika ka torana; azo tamina loharanom-baovao iray koa anefa fa mpiasa manodidina ny 30 isa teo ho eo niasa nanamboatra irony akanjo fitondra manao fanatanjahantena sy ambin’akanjo polo irony tetsy amin’ilay orinasa afaka haba GAMA Textile etsy Anosizato no torana tsy nahatsiaro tena ka voatery nentina haingana tetsy amin’ny hôpitaly HJRA ny Sabotsy teo. Raha araka ny loharanom-baovao dia tsy entona fandrehitra akory no nanempotra azy ireo fa irony karazana akora famonoana bibikely irony izay tsy tao an-trano akory aza fa teny ivelany. Tena nahery vaika anefa izany fofona ranom-panafody famonoana bibikely izany ka tsy zakan’ireo mpiasa. Nisahotaka moa ny iray trano nandritra ny fitrangan’ny loza saingy na izany aza dia fantatra fa efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy izy 30 mianadahy ireto. Ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Corps de Protection Civile ny kolonely Marcellin Rabemanantsoa dia nanambara tamin’ny mpanao gazety fa akora simika, tahaka ny hoe nampiasaina dia nitsefotra , ka izay olona maromaro nitangorona nanodidina izany dia sempotra avy hatrany na nanana olana ka 50 mahery teo no nalefa tany amin’ny hopitaly HJRA novonjena sy notsaboina.
Sempotra sady mifanintona
Ny mpiandraikitra eo anivon’ny orinasa mbola nisalasala nilaza ny tena zava-nisy. “ Mbola miandry ny fanadihadiana lalina. Asa raha ny fanafody nampiasain’ny orinasa mpamono biby kely ve no nahatonga ny loza izay nisy tsy fihetezana kely tao sa hoe : “zavatra hafa”? Hatreto mbola tsy misy mazava izay anton’ny loza.” Hoy Erica Andria, tompon’andraikitra lefitra amin’ny fitantanana ny orinasa eny Anosizato. Ilay DDT na entona famonoana biby kely no filazan’ireo marary tamin’ny mpitsabo fa nahatonga ny loza. “Tonga teto izy ireo sempotra, vizaka, tsy mahatsiaro, mifanintona. Araka ny filazan’izy ireo moa dia hita teny an-toerana ny fandrarahana fanafody famonoana biby kely “pesticide” tamin’ny manodidina ny orin’asa ary niditra tany anatin’ny toeram-piasana ny fofona mahery vaika dia mety nanempotra azy ireo. Ny ministeran’ny fahasalamana sy ny hôpitaly aloha hatreto no nisahana ny fitsaboana sy ny fanafody. Vonjy aina amin’ny fahasemporana toy izao ny fampiasana “oxygène”, efa nampandroana avokoa izy ireo hanala ny entona an-tsoso-koditra ary ireny “serum” ireny no manila haingana ny fanapoizinana tamin’ny entona.” Hoy ny Profesora 0liva Rakoto Alison, Talen’ny Hjra. Vonona hizaka ny fitsaboana ny orinasa afaka haba.Nandray an-tanana ny fitsaboana ihany koa ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny ministeran’ny fahasalamana Noraisiny an-tanana tanteraka ny fitaterana ireo tsy salama, ireo nahazo fitsaboana koa dia nizarany sakafo mitondra hery sy saran-dalana fiara karetsaka 20.000 ariary. Ireo marary dia nilaza fa ireo teo akaiky varavarana izay nidiran’ilay fofona avy any ivelany no voa taloha.Mbola andrasana kosa moa ny vokatry ny fitiliana sy fanadihadiana lalina kokoa mba hahafantarana ny zava-nitranga marina teny Anosizato
Pati sy Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.