Sosialy

Gaboraraka sy fahazaran-dratsy Lasa fanahazan-damba ny fefin’ny zaridainan’Ampefiloha


  • Alakamisy 13 Febroary 2020

Lasa toeram-panahazan-damba indray ny fefin’ny zaridaina etsy Ampefiloha manakaiky ny CNaPS amin’izao fotoana izao. Asa na efa tsy firaharahiana mihitsy ny soa iombonana na efa fahazarana amin’ny gaboraraka,

 

 

 

fa toa mandeha ho azy ny fihetsika tsy dia mendrika. Eto an-drenivohitra isika ary haingon’ny tanàna izany zaridaina izany, saingy toa mandeha ho azy ny fihetsika tsy hampoizina izay tsy am-piheverana. Zary mandeha ho azy ny fahazaran-dratsy izay toa fanararaotana ny fahasahiranan’ny mpitantana mety tsy mahavita manara-maso. Efa io iaraha-mahita io rahateo ny fidirana hatrany amin’ny gaboraraka, toy ny fivarorana ao anatin’ny zaridaina, izay ny alakamisy ihany no natokan’ny Kaominina Antananarivo hanaovana izany, saingy misy hatrany ireo toa minia mikipy. Na izany aza dia tokony hampahafantarina ny olona ihany koa ireo zavatra tsy azo atao, toy ny hoe : voarara ny fiompiana biby fiompy tahaka ny kisoa izay mety handoto sy hanamaimbo tanàna eto Antananarivo satria misy ny toerana ahitana izany. Mila hampahafantarina ny zavatra tsy azo atao, ary ny lalàna dia tokony hazavaina amin’ny isam-batan’olona. Tokony handeha ho azy ihany koa anefa ny fahatsapan-tena hoe izao mety ary izao no tsy mety, fa tsy voatery handrasana tahaka ny biby sanatriavin’ny vava.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT