Sosialy

Gaboraraka amin’ny sarety enti-tanana Hisy faty olona vao handraisana fepetra… ?


  • Alatsinainy 08 Aprily 2019

Hiandry faty olona mikararana mihitsy ve vao handraisana fepetra fepetra ny tsy fanarahan-dalàna eo amin’ny sehatry ny fifamoivoizana eto Antananarivo.

 

 

 

Toa misy ihany ny lalàna, saingy tsy misy mpiraharaha fa tena manjaka ny gaboraraka raha tarafina amin’ny afitsoky ny sarety tarihin-tanana. Tena manao izay saim-pantany, ary maro ny tezitra satria miteraka fahasimban’ny fananan’olona izany indraindray ankoatra ny fitohanana. Kiaka ny lokon’ny fiara, voadona sy miparitaka ny jiro. Ity iray aseho an-tsary etsy ambany aza, dia niparitaka ny fitaratra. Olona 1 na 2 eny na 5 aza tsy hahatazona sarety na posy mitondra entana efa ho 1 taonina (1000 kg), eny na 500kg aza sarotra. Ankoatra ny loza mety mitatao amin’ireo mpitondra azy ireny dia eo ihany koa ny manodidina. Ahoana ny fanonerana ireny fananan’olona simba ireny na koa misy maratra ? Ny zava-misy dia mody manao mampalahelo na mandrahona na efa diso aza. Tsy sanatria manilika ary marina fa fitadiavana io, saingy rehefa lalàna dia lalàna, fa tsy tokony hisy fialokalofana ao anatin’ny hoe: “sahirana”, fa ny lalàna dia natao ho an’ny rehetra. Ny kaominina Antananarivo (CUA), ny minisiteran’ny fitaterana, minisiteran’ny mponina, ny mpitatitra, eny fa na ireo depiote ambara fa mpisolovava ny vahoaka, dia tokony mikaondoha mikaroka vahaolana fa tsy mifanilika sy samy mody fanina fotsiny.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT