Sosialy

Fréquence plus tv sy startimes Hiara-hiasa akaiky


  • Talata 24 Martsa 2020

Amin’izao fotoana izao dia efa saika tomombana avokoa ny lafiny ara-teknika rehetra ao amin'ny Fréquence Plus TV. Efa hita ao ireo fandaharana maro toy ny Kalaza sy Akory Aby. Araka ny nambaran'ny tompon'andraikitry ny vondrona Radio Fréquence Plus dia efa manomboka mivelatra araka ny fivoaran'ny teknolojia ihany koa ny fandaharana vokarin'izy ireo ankehitriny ary mandray ny artista rehetra manana sangan’asa.

Izany rehetra izany no antony hisian’ny fiaraha-miasa eo amin'ny orinasa Startimes sy ny Fréquence Plus. Raha toa ka ny onjam-peo hatrany mantsy no nahafataran'ny olona ny orinasan-tserasera Fréquence Plus hatramizay, amin'izao fotoana izao kosa dia efa hita ao amin'ny canal 112 ao amin'ny televiziona nomerika Startimes ny Fréquence Plus TV izay ao anatin'ny Vondrona RFP. Ny faran’ny herinandro lasa teo no nampahafantarina tamin'ny fomba ofisialy teny Akorondrano izany. Ny Fréquence Plus TV araka izany no televiziona malagasy faha-9 ao amin'ny Startimes. Efa tamin'ny volana Novambra 2019 no efa azo jerena tamin'ny alalan'ny canal 112 tao amin'ny Startimes ny Fréquence Plus TV ary efa marobe ny olona manaraka izany. Anisan'ny mampiavaka ity orinasan-tserasera ity moa ny fanomezan-danja ny fitenim-paritra sy ny fivoizana ny mozika tropikaly.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT