Sosialy

Fotsim-bary Hananika ny 1.000 Ar ny iray kapoaka atsy ho atsy


  • Talata 27 Desambra 2022

Tsy mitsahatra ny miaka-bidy ny vidin’ireo karazana kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro eny an-tsena taorian’ny niakaran’ny vidin-tsolika. Ny vidim-bary no tena mampikolay fatratra ny maro, indrindra fa amin’ireo

karazany mba tsaratsara. Ho an’ny karazam-bary riz de lux ohatra raha 720 Ar ny niandohan’ny iray kapoaka tato anatin’ny roa volana izao dia efa mahatratra 800 Ar ankehitriny. Toraka izany koa ny makalioka izay efa mananika ny 850 Ar ny iray kapoaka. Raha araka ny fanadihadiana natao dia nambaran’ireo mpivarotra fa hatrany am-potony mihitsy no mampiakatra ny vidim-bary. Amin’ny ankapobeny anefa dia mbola misy mpivarotra vitsivitsy mampiakatra ihany saingy kelikely raha tena midangana be kosa izany ho an’ny sasany. Toraka izany koa ny vidina savony izay efa mahatratra 2.400 Ar ny singany iray ho an’ireo sibabe,, ny ronono amin’ny boaty, ny siramamy ny hen’omby izay lasa 10.400 Ar ny iray kilao amin’ny kitoza malemy… Antso avo araka izany no hatao amin’ny Ministera tompon’andraikitra mba hijery akaiky ireny karazana mpivarotra manararaotra ny mpividy ireny. Misy amin’izy ireo mantsy no mahasahy tsy mametraka vidin’entana mihitsy raha tsy hanontaniana ka tokony hojerena ihany koa.
Pati
Legende : Miaka-bidy hatrany ny fotsim-bary eny an-tsena
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT