Sosialy

Fotsim-bary eny an-tsena Efa tafakatra 146.000 Ar ny iray gony


  • Alakamisy 05 Janoary 2023

Tena efa hitovy amin’ny karama raisin’ny olona iray isam-bolana ho an’ireo mbola mikarama 150.000 Ar ny vidin’ny fotsim-bary iray gony eny an-tsena amin’izao.

Ho an’ireo karazam-bary mba tsaratsara toy ny makalioka io. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpivarotra iray dia nambarany fa mbola hiakatra hatrany io vidim-bary io indrindra raha vantany vao avy mijojo tsy miato eo ny ranon’orana. Tsy maintsy hitaraina indray mantsy hoy izy ireo kamiao mpitatitra vokatra fa ratsy ny lalana ka tsy maintsy mampiakatra saran-dalana izy ireo. Ireo mpanera eo an-daniny hoy hatrany ireo mpivarotra mbola manao ny hataony ihany koa. Amin’ny volana Febroary any ho any moa hoy hatrany ireo mpivarotra no tena ahiana mafy hampiakatra ny vidim-bary eny an-tsena raha toraka izany ihany koa ny vidina saribao izay efa mananika ny 40.000 Ar amin’izao ny iray gony. Miankina betsaka amin’ny mety ho toetr’andro eto amintsika araka izany ny mety ho fiakaran’ny vidim-bary amin’ny ankapobeny ankoatra ny fanararaotan’ny sasany. Raha araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro anefa dia amin’ity volana Janoary ity ihany dia mety efa hisy rivodoza hiditra eto amintsika ka tokony samy hiomana ny rehetra. Efa niakatra 1.100 Ar ihany koa amin’izao ny vidin’ny fahana amin’ny karatra kikisana 1.000 Ar teo aloha, lasa 2.000 Ar ny kapoakan’ny voanjo masaka raha 1.800 Ar teo aloha.
Pati
Legende : Hamay ny vidim-piainana eto amintsika raha tsy voafehin’ny Fitondram-panjakana (sary fanehoana)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT