Fototry ny olana isan-tsehatra

Tsy afa-miala ny mpitondra


  • Zoma 26 Janoary 2024

Nanomboka ny fanjanahantany no nankaty no tsy nitsaha-nitotongana ny

tontolon’ny fanabeazana eto Madagasikara. Nohamarinin’ny tantaram-pirenena izany. Nifandimby nampahatsiahy ireo mpandinika isan-tokony fa tsy nifanaraka ary mbola tsy mifanaraka amin’ny zava-misy eto Madagasikara ny fandaharam-pianarana eto hatramin’izao. Nianatra izany hoe “Nos ancêtres les gaulois” izany ireo razambentsika kanefa ireo dia razamben’ny mpanjanaka na frantsay. Ny sivilizasionina ejipsianina, ny drafitra Marshall, ny mikasika an’i Japon sy ny toy izany no tena nibahana ny fandaharam-pianarana ho an’ny ambaratonga faharoa taty aoriana, raha ny mikasika ny taranja tantara no ambara. Firifiry moa ireo raiamandreny nanao antsoavo fa tokony averina anaty fandaharam-pianarana eny amin’ny ambaratonga fototra mihitsy ny fanabeazana maha olompirenena na “éducation civique”? Dia sahin’ireo mpitondra nifandimby, indrindra, fa ny hatramin’izao ve no miala fa tsy vokatry ny tsy fanomezany lanja ny fanabeazana teto amin’ity firenena ity no mahatonga ireny tsy fanajana tontolo iainana, fanaovana havoretrana, fanarinariana fako eny rehetra eny mitranga eo amin’ireo olompirenena hatramin’izao? Hevirina fa nisy ampahana fanabeazana ho an’ny olompirenena tsy nentin’ny mpanohitra na mpisehatra politika ary sehatra maro samihafa tao anatin’izany saingy raha mbola mahakasika ny olana isan-tsehatra mitranga eto amin’ny firenena no resahana, indrindra, izay lafiny mahakasika ny fanabeazam-pirenena izay dia tsy afa-miala ny mpitondra.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT