Sosialy

Fotodrafitrasa ao amin’ny faritr’i Sofia Mampitsoaka mpandraharaha


  • Zoma 06 Desambra 2019

Ny fametrahana ny rafitra momba ny fidiram-bolan’ny faritr’i Sofia no nataonay voalohany indrindra, raha voatendry ho

 

sekretera jeneralin’ny governora misahana ny faritr’i Sofia, hoy Atoa Tolojanahary Maharavo na Doudou. Ny zava-misy taloha dia tsy mba manana mpiasa na « personnel » mampidi-bola ho an’ny faritra mivantana iny faritra iny fa ny kaominina no manana « reçus de recette » dia ny kaominina ambanivohitra rehetra miisa 122 any lavitra be any no nasaina nitaky vola ho an’ny faritra. Ny volan’ireo kaominina anefa tsy mba mipetraka aty amin’ny tahirim-bola na « trésor ». Lasa ireo kaominina indray izany no voasazy hanatitra vola any amin’ny”perception”. Hany 6 volana vao vitan’ireo kaominina no manatitra ireo vola raha aloha indrindra. Ny sasany 2 na 3 taona tsy nahavita. Tsy afaka ny hampandroso faritra ao anatin’ny antsoina hoe “structure de recette” tsy misy izany akory anefa ny faritra, hoy hatrany i Doudou. Betsaka ny vokatra tokony hiteraka fandrosoana ho an’i Sofia raha tsy hilaza afa-tsy ny resaka fambolena. Be lavitra noho ny vary mivoaka ao Boeny sy Alaotra no mivoaka ao Sofia fa saingy tsy misy fanisana noho io “structure de recette” tsy mipetraka io. An-jatony taonina ny lavanila ao saingy noho ny ny faharatsian’ny fotodrafitrasa toy ny lalana dia aleon’ny mpandraharaha mitsoaka any SAVA na Mananara no mitondra ny vokany, hoy izy. Tsy afaka hiverina aty Befandriana na Mandritsara na Antsohihy ireo. Ankehitriny dia efa manomboka misy mpandraharaha ara-dalàna kosa anefa. Ny eo amin’ny resaka harena ankibon’ny tany koa toy izany, toy ny fitrandrahana Kraoma sy Boxite. Efa manomboka mipetraka ankehitriny ny fampidirana ny fandraharahana rehetra ho ao anatin’ny ara-dalàna, hoy hatrany izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT