Sosialy

Fotoam-pahavaratra Rivodoza telo no mety handalo eto Madagasikara


  • Alarobia 03 Oktobra 2018

Na dia mbola ao anatin’ny vanim-potoanan’ny manasara-taona aza isika eto Madagasikara ankehitriny dia fantatra fa hanomboka hirotsaka kosa ny ranon’orana amin’ny volana novambra ho avy izao raha ny tomban’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro.

  Any amin’ny tapany avaratry ny Nosy no ho betsaka izany ary any amin’ny faritra Atsimo Andrefana kosa amin’ny volana desambra. Araka ny fanazavan-dRakotondrafara Marie Louise,  tompon’andraikitra voalohany amin’ny fampitam-baovao eo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro dia hanara-penitra ny rivodoza handalo eto amintsika. Iray ka hatramin’ny telo ihany ny isany izay nomarihiny fa tsy hisy ahiana loatra. Mikasika ny fiovaovan’ny toetr’andro ankehitriny dia nohamafisiny fa vokatr’ilay vanim-potoana manasara-taona ihany izany, ka tokony samy hahay handanjalanja ny fitafiana mifandraika amin’izay ny rehetra. Nampahafantatra ny mety ho fivoaran’ny fotoam-pahavaratra amin’ity taona 2018 ity tetsy amin’ny Carlton omaly ny foiben’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro eny Ampandrianomby.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT