Sosialy

Forello Tanjombato Kilan’ny afo ny orinasa mpanao lamba iray


  • Zoma 06 Septambra 2019

May ny orinasa mpanao lamba iray eny amin’ny Forello Tanjombato. Orinasa afaka haba mampiasa mpiasa marobe izy io, raha ny fantatra. Omaly maraina tokony ho tamin’ny 05 ora sy 05 minitra no nitranga ny loza noho ny antony tsy fantatra.

 

 

 Fiara lehibe efatra an’ny sampana mpamonjy voina no indray niainga namonjy ity orinasa ity, nahitana vatan-dehilahy miisa 24. Ny roa tamin’ireo raha dia avy any Andravoahangy sy Anosivavaka no nohafarana  fa avy ao Tsaralalana ny roa ambiny. Tamin’ny 10 ora maraina vao voafehy ny afo raha ny vaovao azo. Tsy nisy kosa ny aina nafoy na ny olona naratra. Lamba maro kosa no lanin’ny afo. Efa eo am-panaovana fanadihadiana ny polisy ekonomika hatramin’ny omaly. Nomarihin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny sampana mpamonjy voina fa fotoana tena mampahazo vahana ny hain-trano ny tahaka izao ka mila mitandrina ny tsirairay. Mikasika ireo mpiasa ao amin’ity orinasa iray ity indray dia anisan’ny adin-tsaina mitambesatra amin’izy ireo ny asa famelomany vady aman-janaka na hitohy na tsia izay tafiditra tanteraka ao anatin’ny  fanomanana ny fidiran’ny mpianatra.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT