Sosialy

Fonjan’antanimora Olona 2 no nahiana ho voan’ny Coronavirus


  • Sabotsy 28 Martsa 2020

Tsy misy olona voan’ny coronavirus ao amin’ny fonjaben’Antanimora hoy ny Ministry ny Ati-tany Tianarivelo Razafimahefa omaly.

 

 

 

 Efa nentina nozahana sy notiliana avy hatrany tany amin’ny hôpitaly manara-penitra Anosiala mantsy ireo olona roa nahiana ho nitondra izany omaly ka fantatra fa tsy misy mitondra ny tsimok’aretina izy ireo ary salama tsara. Tera-tany vahiny (Espaniola) ny iray raha tera-tany Malagasy ny iray izay marihina fa samy lehilahy avokoa. Nomarihin’ity ministra ity moa fa tsy rehefa arahin’ireo fiara 4x4 COVID 19 ireny maso eny anivon’ny Fokontany ny olona iray dia hoe tsy maitsy voan’ny coronavirus . Tsy izay rehetra tonga avy any ivelany ihany koa hoy izy dia marary saingy noho ny fiparitahan’ity tsimok’aretina ity dia tsy maintsy raisina ny fepetra toy ny fihibohana ao an-trano mandritra ny 15 andro, ny fanasan-tanana amin’ny savony matetika, ny fanajana ilay elanelana 1 metatra.

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT