Sosialy

Fonjan’Antanimora Gadra iray matin’ny covid-19, iray hafa marary mafy


  • Talata 13 Aprily 2021

Lehilahy iray voafonja tao Antanimora no namoy ny ainy vokatry ny valanaretina coronavirus alahady 11 aprily lasa teo.

 

 

 

 Nambaran’ny fampahalalam-baovao, fa nentina tamina toeram-pitsaboana iray teto an-dRenivohitra izy io, saingy tsy nety nandray ny hopitaly. Voatery nentina niverina ho an’ny am-ponja saingy tapitra teny an-dàlana ny ainy. Ankoatra izay, vehivavy iray voafonja ao Antanimora hatrany ihany koa no voalaza miady amin’ny fahafatesana, sempotra vokatry ny valanaretina covid-19. Miparitaka ao am-ponja ny valanaretina, ary ahiana hamely ny ankamaroan’ireo gadra. Mangataka ny hijerena azy ireo, indrindra fa ny lafiny maha olona ireo gadra. Tsy tao Antanimora ihany, fa tamin’ny herinandro tahaka izao, dia efa nisy gadra miisa voan’ny covid-19 ihany koa tany amin’ny Fonjan’I Marofotra any Mahajanga. Noho io tranga io no nanehoan’ny Minisitry ny Fitsarana Atoa Johnny Richard Andriamahefarivo ny herinandro teo, fa atokana toerana aloha ireo gadra vaovao, ary rehefa voamarina fa tsy voa, vao halefa hitambatra amin’ny besinimaro. Miparitaka na aiza na aiza ny valanaretina coronavirus amin’izao, ary hatrany am-ponja aza efa misy, ka entanina ho mailo hatrany ny tsirairay. Maneho ihany koa ity toe-javatra nandavana ny tsy handraisana io voafonja iray niteraka tamin’ny fahafatesany io, fa sarotra ny fidirana hopitaly, mety hivezivezy vao tafiditra, ny aretina anefa miombo, ka mety hamoy ny ainy eny an-dàlana ny marary.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT