Sosialy

Fondation Céline et Didier Ratsiraka Nilofo tamin’ny sehatry ny fanabeazana


  • Alakamisy 22 Desambra 2022

Ho fanohizana ny asa izay nataon’ny Amiraly didier Ratsitsaka mivady tamin’ny fotoan’androny no tena antony nananganan’ny mpiara-miasa sy ny fianakaviana ny "Fondation Céline et Didier Ratsiraka".

Herintoana izay no nitsanganany ary efa maro ireo asa izay natomboka. Ny sehatry ny fanabeazana no tena nilofosana nandritra io taona voalohany io raha ny fanazavana nomenn’ny zanaka vavin’ny Amiraly, Ramatoa Annick Ratsiraka. Ny sehatry ny fanabeazana rahateo no isan’ireo asa tena nilofosan’ny filoha teo aloha tamin’ny naha teo amin’ny fitondrana azy. ny Amiraly no nametraka ny politika fampanantonana ny zaza Malagasy ny Fanabeazana ka nanorenana sekoly SFF na ny Sekoly Fanabeazana Fototra isaky ny Fokontany. Teo ihany ny kolejy isaky ny Firaisam-pokotany ary tonga hatramin’ny oniversite isaky ny Faritany. Tao anatin’ny taona voalohany nijoroany dia mbola ny fanatsarana sy ny fanamafisana orina ny sehatry ny fanabeazana no asa nataon’ny "Fondation". Isan’ny amaranana ny hetsika amin’ity taona ity ny "Bazar de Noël" izay atao etsy amin’ny Cercle Franco Malagasy Anosy manomboka omaly ary tsy hifarana raha tsy ny sabotsy 24 desambra 2022. Fitaizana izay napetraky ny Amiraly mivady ny hoe : "Mijery ny olona tsy ankanavaka" ka izay no nanaovana ity hetsika ity, hihaonana sy hifaneraserana amin’ny mpiray tanindrazana rehetra ka trano heva 30 no hita mandritra izany. Hita ao avokoa ny kojakoja rehetra izay ilaina amin’ny fiatrehana izao Noely izao. Nambaran’ny Zanaka vavin’ny Amiraly hatrany moa fa mba ho famerenana ao amin’ireo tanora ny tantaran’ny Amiraly dia eo ampikatrohana ny fanodinana ny horonantsary mirakitra ny tantarany amin’izao fotoana izao ny "Fondation Céline et Didier Ratsiraka" sy ireo mpiara-miasa rehetra.
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT