Sosialy

Fondation Céline - Didier Ratsiraka Ho santarina amin’ny fotoam-bavaka ny fijoroany


  • Alakamisy 04 Novambra 2021

Vavaka entina hisaorana sy hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra no hanokafana ny fitsanganan’ny Fondation Céline-Didier Ratsiraka etsy amin’ny Saint Michel Amparibe anio.

 Tafiditra indrindra ao anatin’ny fankalazana ny tsingerin-taonan’ity filoha teo aloha ity izany; izay sambany no homarihina taorian’ny datin’ny 28 martsa izay nahafatesany. Arahina fanateram-boninkazo eny Mausolée ihany raha araka ny fanazavan’ny zanany vavy Annick Ratsiraka. Nambaran’ity farany nandritra izany fa efa fanirian’ireo Ray aman-dReniny hatramin’ny ela ny hananganana ity fondation ity ka tsy maintsy hotanterahiny izany dieny mbola velona ny Reniny Ratoa Celine Ratsiraka. Tanjon’izy ireo ny hanampiana sy hanabeazana ny zaza Malagasy mba tena hisy ho mpitondra firenena tokoa any aoriany any f a tsy sanatria ho sahirana hitady olomanga sy mahay hatrany ny firenena. Ezahina haparitaka manerana ny Nosy moa ity foundation ity k any zaza Malagasy rehetra no ezahina hahazo tombony.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT