Fond Yavarhoussen sy Michelangelo foundation

Hanome tohana ny mpanao zavakanto miavaka malagasy


  • Alarobia 07 Febroary 2024

Tontosa ny fiandohan’ity herinandro ity ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa

eo amin’ny Fond Yavarhoussen, izay rafitra fanohanana mpanao zavakanto eto Madagasikara, sy ny Michelangelo foundation, izay rafitra misahana izany ihany koa any Soisa any. Natsangan’ny mpamorona azy antsoina hoe Johann Ruppert ity rafitra any Soisa ity, hoy ny fanazavana, mba hanabeazam-boho sy hanohanana ireo mpanao zavakanto mendrika sy miavaka eto amin’izao tontolo izao. Misy ao anatin’izany ny torolalana antsoina hoe « Homo Fober » izay natao hanasongadinana ny zava-kanto miavaka indrindra eto amin’izao tontolo izao. Azo tsidihina anaty aterineto izy io. Tanjona ny fampiroboroboana ny zava-kanto tena miavaka, ny fampitana ireo fahaizana nentim-paharazana, ny fanokafana lalam-barotra ho an’ireo mpanao zavakanto na asa tanana ihany koa. Efa manenika kaontinanta maro toa an’i Azia, tahaka ny any Ouzbékistan, ity torolalana ity. Ahitana azy koa any Amerika latinina toa an’i Chilie sy Mexique, ireo firenena eoropeanina ary aty Afrika toa an’i Madagasikara indray izany izao no hametrahana azy koa manomboka eto. Ny faharesen-dahatra fa fanoitry ny fampandrosoana ny zava-kanto sy ny kolontsaina no antony nananganana ny Fond Yavarhoussen tamin’ny alalan’ny mpamorona azy, Hasnaine Yavarhoussen ny taona 2019. Tamin’io taona io ihany koa no nanohanany voalohany ny rantim-pirenena nandritry ny hetsika « Biennale de Venise », izay nandraisan’ny mpanao zavakanto Joël Andrianomearisoa anjara. Ny taona 2020 moa avy eo dia natsangana ny Hakanto contemporary ho fampiroboroboana ny zavakanto eto Madagasikara, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT