Sosialy

Fomba fambolena maharitra Hohamafisina anaty fandaharam-pianarana


  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Hohamafisina anaty fandaharam-pianaran’ny mpianatra manomboka amin’ity taom-pianarana vaovao ity ny fomba fambolena maharitra na “agroécologie”.

 

 

 

Sekoly enina any amin’ny  Faritra Vakinankaratra indray no hisitraka izany ka  mpianatra  miisa 1200, kilasy faha-enina sy faha-dimy eny ambaratonga faharoa no hisitraka izany.  Tetikasa  manitatra II no hiantsoana azy ity,  izay vatsian’ny COMESA sy ny vondrona eraopeanina vola. Tompon’antoka amin’ny  fanatanterahana izany  ny fikambanana mivoy ny teknikam-pambolena maharitra GSDM. Nialohavan’ny Sonia fifanekem-piaraha-miasa notontosaina teny amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena Anosy izany ny  Talata  lasa teo, nahitana ny tale mpanatanteraky ny GSDM Rakotondramanana an-daniny, notronin’ny  ministry fanabeazam-pirenena Horace Gatien an-kilany.  Tsiahivina moa fa efa nisy ny fiaraha-miasan’ny roa tonta tamin’ny taom-pianarana lasa teo. Mpianatra miisa  1000, niaraka tamina ray  aman-drenin’ny mpianatra sy mpampianatra tao amin’ny fari-piadidiam-pampianaran’I Vakinankaratra no nahazo tombontsoa tamin’izany ary efa saika misitraka ny  tombontsoa azo avy amin’izany avokoa ny ankamaroany. Tetikasa andrana  ihany moa ity tetikasa ity raha araka ny fanazavana nomen’ny GSDM   raha anisan’ny tanjona hotratrarin’izy ireo kosa ny hanaparitahana izany manerana ny Nosy . Ankoatra ny fampiakarana ny  taham-pambolena mantsy dia anisan’ny kolontsaina hampitaina amin’ireo mpianatra sy ny Ray aman-dReniny ihany koa ny fiarovana ny tontolo iainana.

 

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT