Sosialy

Fokontany Tsiadana Lalan-kely maro nohatsarain’ny CUA


  • Alarobia 08 Mey 2019

Mitohy hatrany ny fanamboarana ny lalan-kely eny anivon’ny fokontany ao amin’ny boriboritany faharoa ao anatin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA).

 

 

 

 Ohatra azo tsapain-tanana amin’izany ny eo amin’ny fokontanin’i Tsiadana, izay maro amin’ireo lalan-kely no efa vita fanavaozana sy nasiana fanamboarana. Mbola misy ihany koa nefa ireo izay eo andalam-panamboarana ary efa eo am-pamaranana ny asa ny tompon’andraikitra amin’izao fotoana izao. Ny sampan-draharaha misahana ny ara-teknika ao amin’ny Boriboritany faharoa moa no tompon’andraikitra amin’ity asa ity miaraka amin’ny fanomezan-tànan’ny DTP (Direction des Travaux Publics). Raha tsiahivina moa dia ireo vato tamin’ny “trottoir” nesorina efa tsy hampiasaina intsony no noraisin’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra an-tànana hanamboarana ny lalan-kely manerana ny fokontan’ny Antananarivo. Izany dia natao mba hitsinjovana hatrany ireo mponina izay eny anivon’ny fokontany eny.

 

Toky R

 

                           

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT