Sosialy

Fokontany Manarintsoa sy Andavamamba Ankizy miisa 300 nizarana arendrina sy vatomamy


  • Talata 25 Jona 2019

Ho fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona sy ho fanamarihana ny iray volan’ny ankizy dia nizarana arendrina sy vatomamy avokoa omaly ireo ankizy miisa 300 ao anatin’ny fokontany Manarintsoa sy Andavamamba.

 

 

 

 Ny sekoly ambony tsy miankina UPRIM no nanatanteraka  izany mba hahafahan’izy ireo mankalaza ny fetin’ny Asaramanitra ao anatin’ny hafaliana tanteraka. Samy nahazo ny anjarany na ireo zanaky ny sahirana na ireo antonontonony, tsy nisy navahana. Nambaran-dRakotovaorison Haingo Nadia, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ity sekoly ity fa amin’ny maha Reny azy sy amin’ny maha mpiara-monina amin’ny rehetra azy no antony nanaovany ny hetsika. Tafiditra ao ny fanampiana ireo tena niangaran’ny vintana hahafahany mifaly toy ireo ankizy mitovy taona aminy rehetra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT