Sosialy

Fokontany Mahavoky Lakan-drano mirefy 1.900 metatra nodiovina mandritry ny 20 andro


  • Talata 22 Oktobra 2019

Anisan’ny fokontany manainga zipo rehefa avy ny orona, eny Mahavoky, Besarety iny.

 

 

 Nisy ny hetsika fanadiovana faobe nataon’ny teo anivon’ny fokontany Mahavoky. Mpiasa manodidina ny 100 no nomena fanamiana sy fitaovana toy ny lapelina, angady ary borety nanala ny fako teny Mahavoky. Nambaran’ny tompon’andraikitry ny fokontany fa mahatratra 1.900 metatra, amin’ny “dalle” telo ao amin’ny fokontany no nodiovana. Maharitra 20 andro ny fanadiovana ireo “dalle” ireo. Nampiasa “engin” iray koa ny tompon’andraikitry ny fanadiovana, ka iray andro ihany no nanala ny fako sy fotaka ary fasika nanentsina ny lakan-drano, io fitaovana iray io. Aorian’ny 20 andro dia anjaran’ny fokontany no manara-maso ny fanadiovana, hoy ny fanazavana. Tokony hovana kosa ny toe-tsain’ny olona tsirairay mipetraka eny amin’ny fokontany Mahavoky, mba tsy hanary fako na plastika na tavoahangy na harona sachet any anaty lakan-drano intsony, fa mahatonga ny fahatsentseman’ny lakan-drano izany. Antso no atao, hoy ireo tompon’andraikitra ary ny tsirairay no tokony handray ny andraikiny mifanaraka amin’izany fanadiovana ny lakan-drano izany, hoy izy ireo.

Sitraka r.   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT