Mitohy ny asa fanadiovana sy fanesorana ny fako eto amin’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra.
Ho an’ny boriborintany faha-6 manokana dia nesorina omaly 4 oktobra ny fako nisavovona teny amin’ny bakan-jaoridira tao amin’ny fokontany Avaratanana Ambatolampy Ambohidroa izay niarahana niasa tamin’ny SAMVA, ny CUA, ny minisiteran’ny rano ary ny fokontany teny an-toerana. Nisaotra ny rehetra nanao ny ezaka fanadiovana ny delegen’ny boriborintany faha-6, Fehizoro Andriamananjezika, satria nisavovona loatra ny fako . Aoka kosa mba hohajaina amin’izay ny fotoana fanariam-pako nifanarahana, hoy izy, fa hiharan’ny sazy ireo izay manary fako amin’ny andro antoandro. Ankoatra izay, ny BMH eny Isotry koa dia hiditra an-tsehatra hanadio ny tanàna sy hitifitra ranompanafody ireo toerana saropady amin’ny fahasalamàna araka ny toromariky ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Ny depiote voafidy tao amin’ity boriborintany ity tamin’ny alalan’ny antoko TIM kosa, Rasoanoromalala Marie Horace, dia nisaotra manokana ny ben’ny tanàna, Lalao Ravalomanana, tamin’ny fitsinjovany ny vahoaka eny ifotony amin’izao fijerena ny fanesorana ny fako izao . Fanirianay vahoaka ety ifotony, hoy ity solombavambahoaka ity, ny hiverenan’ ny Kaominina hitantana ny SAMVA indray satria izay ihany no vahaolana hampilamina amin’ny fanesorana ny fako eto an-drenivohitra . Izy moa dia tonga teny Ambatolampy sy Ambohidroa niaraka tamin’ny mpikambana maro ao amin’ny antoko Tiako I Madagasikara ao amin’ny boriborintany faha-6 nanara-maso ny fanesorana ireo fako teny an-toerana .
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.