Sosialy

Fokontany Antohomadinika Afovoany Manjavozavo ny fandraisana andraikitra


  • Alatsinainy 18 Mey 2020

Hitarainan’ireo komity loharano ao amin’ny fokontanin’ Antohomadinika Afovoany notarihan’ ny mpandrindra ankapobeny ao aminy, Atoa Ranivoarison

 

 

 

 

Rija niaraka tamin’ny loholona Razanajatovo René sy ny mpikambana Jean Fidelis ny tsy fandraisan’ireo komitim-pokontany tarihan’ny filohany ao amin’ity fokontany iray ao amin’ny boriborintany voalohany eto Antananarivo-renivohitra ity. Hatramin’ny niandohan’ny fizarana ny vatsy tsinjo voalohany mbola tsy nahateo anay izay 5%-n’ireo zokiolona monja no mba nisitraka izany tety aminay, nandalo tamin’ny fizarana an’ireo fanampiana ho an’ny sahirana avy amin’ny malala-tanana izy olom-bitsy nofidifidiana manokana no nahazo tamin’izany ka hatramin’izao fizarana ny tosika fameno avy amin’ny fanjakana izay ny manana “mobile money” ihany no homena azy dia hita, hoy izy ireo, dia tena hita taratra io tsy fandraisana andraikitry ny filoham-pokontan’i Antohomadinika Afovoany sy ny ekipany io nefa tsy havelan’izy ireo hisahana ny asa nankinina aminy ny komity loharano eny an-toerana izay vonona ny handray izany andraikitra izany tanteraka mba hanalefahana ny fahasahiranam-bahoaka amin’izany fiatrehana ny ady amin’ny covid-19 izao. Niainga avy eny ifotony ny nananganana an’io komity loharano io, hoy Atoa Rija, ary ahitana sokajin’olona maro (dokotera, mpampianatra sns… ) sy avy amin’ny antoko samihafa ihany koa (Arema, Mfm, Tgv, Tim). Efa nahavita boky mirakitra ny lisitry ny olona rehetra mpetraka ao amin’ny fokontanin’Antohomadinika Afovoany izahay sy ny asan’izy ireo avy, hoy hatrany ity mpandrindra ny komity loharano eny an-toerana ity, ka efa vonona avy hatrany hampiasaina amin’ny resaka “digitalisation” ny fifidianana satria efa voarakitra ao anaty solosaina. Tsy avelan’ny lehiben’ny fokontany hiasa anefa izahay fa hoe tsy mbola ara-dalàna hono ka takianay marindrano io fandraisana andraikitra marina eo amin’ity fokontany misy anay ity hampandroso ny tanànanay fa vonona ny amin’izany izahay komity loharano raha ilaina.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT