Sosialy

Fokontany Anosipatrana Atsinanana Tsy misy mpijery ireo traboina, tonga hatrany an-trano ny maloto


  • Talata 31 Janoary 2023

Tsy misy mpijery ireo traboina etsy amin’ny Fokontany Anosipatrana Atsinanana, kaominina Antananarivo renivohitra.

Efa ho andro maromaro anefa no niainan’izy ireo tao anaty rano izay marihina fa mifangaro amin’ny maloto mihitsy. Saika nihoatra avokoa mantsy ireo trano fivoahana eny an-toerana ka nampitsingevana ireo maloto avy ao anatiny ho tonga hatrany an-tokantranon’ny mponina. Tsy hita intsony araka izany izay hilazana ny endri-piainana hiainan’ireo mponina ao amin’ity Fokontany iray ity. Gony amboarina sy hatohitohy kely miampy hazo no hatao karazana tetezana kely hivoahana ny tanana raha tsy maintsy hivoaka dia tahaka izany hatrany. Ankoatra ity fiainana anaty rano ity moa dia fantatra ihany koa fa niaina tao anatin’ny haizina tanteraka ireto mponina traboina ireto nanomboka ny Alarobia teo. Tsy nirehitra mihitsy ny herinaratra teny an-toerana hany ka nanjaka ihany koa ny tsy fandriampahalemana. Miantso ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary mba hijery azy ireo ireto traboina etsy Anosipatrana Atsinanana ireto.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT