FOKONTANY ANKADY TANJOMBATO

Olona sahirana am-polony notolorana fanampiana


  • Alarobia 10 Jolay 2024

Olona sahirana am-polony no notolorana fanampiana toy ny vary sy ireo kojakoja

ilaina amin’ny fiainana andavanandro niampy lamba firakotra ho an’ny Fokontany Ankady, kaominina Tanjombato, distrikan’Antananarivo Atsimondrano, omaly. Vokatry ny ezak’ireo mpianatry ny onivesite Isfps Leader no angady nananana sy vy nahitana izany izay efa fanaony isan-taona tao anatin’ilay loha-hevitra sady tenin’Andriamanitra hoe : Sambatra ny manome noho ny mandray. Ankoatra ny fanabeazana ara-tsaina sy ara-batana mantsy dia bezaina ara-panahy ihany koa ny mpianatra ary indrindra ho lasa mpitarika sy hitantana ity firenena ity rehefa any aoriana. Tao anatin’ny hafaliana ihany koa no nandraisan’ireo olona sahirana izany izay samy nahatsapa fa vitsiana sisa ireo olona mahavita mijery ny sahirana tahaka izao fa ny tombontsoany no tena mahamaika azy. Ankoatra ny Fokontany Ankady Tanjombato moa dia fantatra fa zokiolona tsy mbola nahita ranomasina mihitsy monina ao Tsiadana no ho entin’ny filoha mpanorina ity sekoly ity Atoa Mahasoa Tsimiondrike haka rivotra any Toamasina amin’ity vakansy lehibe taona 2024 ity, raha efa notolorana sakafo sy fitafiana izy ireo tamin’ny fetin’ny 26 Jona lasa teo.
Pati
Legende : Ireo fikambanan’ny mpianatra nanolotra ny fanomezana ho an’ireo sahirana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT