Efa mandray traboina manodidina ny 959 isa ny Fokontany Andrefan’i Mananjary amin’izao, olona avy amina tokantrano miisa 227 isa ka zaza amam-behivavy ny ankamaroany.
Ao amin’ny Fokontany mihitsy izy ireo no mipetraka saingy mbola hifampitadiavana ny haninko haniny. Raha araka ny fanazavan’ny sefom-pokontany ao an-toerana dia efa mahazatra azy ireo ny mandray traboina tahaka izao isan-taona. Raha vantany vao avy tsy mitsahatra mantsy ny ranon’orana rehefa volana janoary tahaka izao dia miakatra ihany koa ny rano avy amin’ny tata-drano C3 izay mandalo eny amin’iny faritra iny. Tonga sy mamantana any an-tranon’olona avy hatrany izany, antony mampitombo haingana ny isan’ireo traboina ao an-toerana. Miantso ny kaominina Antananarivo renivohitra mba hanokatra matetika ny lakan-dranon’ny C3 araka izany ireo mponina eny an-toerana no sady hitady lalan-kafa hamoahana ny rano ihany koa. Ankoatra ny gripa mahery moa dia mahazo ireo mponina traboina ihany koa amin’izao ny aretin-kibo sy ny tongotra masaka vokatry ny filonana anaty rano tsy miato.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.