Sosialy

Fokontany Andraisoro Mirongatra ny hala-botry, 12 taona dia efa manao asa ratsy


  • Alarobia 06 Martsa 2019

Mirongatra ny vaky trano sy ny hala-botry ao amin’ny fokontany Andraisoro Boriborintany fahadimy amin’izao, hoy ny lehiben’ny vaomieran’ny fandriampahalemana Rasolofomanana Roland.

 

 

 

  Roa na telo isan’andro raha kely ny fitarainana voaray eo anivon’ny fokontany, betsaka indrindra amin’izany ireo olona voaendaka. Ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina no antony, hoy izy. Eo ihany koa ny hamaroan’ireo ankizy mitsoaka an-daharana an-tsekoly noho ny hasarotan’ny fiainana. 12 taona mantsy no kely indrindra amin’ireo mpangalatra sy mpanendaka efa tratra. Vao tamin’ny herinandro teo, ohatra, dia olona iray no tratra namaky trano teny an-toerana. Nomarihin’ity lehiben’ny voamieran’ny fandriampahalemana ity fa fepetra efa noraisin’izy ireo amin’izao ny fanapariahana ny andrimasom-pokonolona ankoatra ny fanaraha-maso ireo vahiny tonga mihaodihaody ao an-tanàna  nefa tsy misoratra anarana eny amin’ny fokontany.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT