Sosialy

Fokontany Andohatapenaka II Efa manomboka milamina ny fandriampahalemana


  • Alatsinainy 01 Jolay 2019

Efa manomboka milamina ny fandriampahalemana ao amin’ny fokontany Andohatapenaka II, amin’izao fotoana izao raha somary henjankenjana kely teo aloha,

 

 raha araka ny fanazavan’ny sefom-pokontany Randrianarivony Solofoniaina. Saika lasibatra avokoa mantsy ireo olona mandalo anaty fiara tratry ny fitohanana hatramin’izay, hany ka voasokajy ho faritra mena mihitsy ity faritra ity. Na izany aza anefa, hoy izy dia mbola misy ihany ny fanendahana sy ny hala-botry izay tsy fantatra intsony ny olona manao azy. Efa miara-miasa amin’ny mpitandro ny filaminana moa ity fokontany iray ity miampy ny fiambenana isak’alina hataon’ireo vatan-dehilahy, antony nampilamindamina ny fiainan’ny mponina. Tsiahivina fa miisa 3600 ireo mponina ao amin’ity fokontany iray ity ka ny 80 %-n’izy ireo dia fianakaviana sahirana mivelona amin’ny sasa lamba, ny fanaovana biriky ary ny fakana fasika avokoa.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT