Sosialy

Fokontany Anatahizo II Fianakaviana 3200 nozaraina savony sy arotava


  • Sabotsy 09 Mey 2020

Mitombo isa hatrany ireo olona mararin’ny coronavirus eto amintsika. Ankoatra ny olon-dehibe dia maro ihany koa ireo ankizy lasibatra, antony nanosika ny Association Ahmadiyya Musulmane de Madagascar hijery manokana ireo

 

 

mponina ao amin’ny Fokontany Anatihazo II, Andavamamba. Raha araka ny fanazavan’ny misiobera Ahmed Mudassir, izay mpitantana ity ivon-toerana ity mantsy dia sahirana ny ankamaroan’ny mponina ao Andavamamba. Olana na ny fividianana savony aza, antony nanosika azy ireo hizara izany omaly. Fianakaviana miisa 3200 no nahazo tombontsoa tamin’izay izay notolorana aron-tava 3 isan-tokantrano niampy savony. Nampianarina nanasa tanana tamin’ny savony ihany koa ireo mponina ao an-toerana no sady nanaovana fanentanana manokana momba ny aretina coronavirus izay miseho amin’ny endriky ny tazomahery. Ny fikambanana Himanity First avy any Alemana moa no nanampy azy ireo tamin’izany, fizarana izay mbola hitohy any Fianarantsoa sy Manaraka ary Toliara. Tsiahivina moa fa efa nanangana sekoly ao an-toerana ity fikambanana ity hanampiana ireo ankizy efa tokony handia ny varavaran-tsekoly.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT