FOKONTANY AMBOHIDRAPETO

Tsy nahazo ilay vola zarain’ny FID ny ankamaroan’ireo tena sahirana


  • Alarobia 05 Martsa 2025

Saika mitovy avokoa ny olana mianjady amin’ireo mponina ao anatin’ny distrikan’Atsimondrano

miandrandra ilay fanampiana omen’ny FID. Taorian’ny Fokontany Ambaniavatra Fenoarivo dia nahazoana fitarainana ihany koa ny Fokontany Ambohidrapeto Itaosy. Olona 220 isa monja tamin’ireo 700 isa nanaovana fanadihadiana mantsy raha araka ny loharanom-baovao voaray no mba nisitraka izany. Ankoatra izay hoy ireo mponina dia sahirana avokoa ny ankamaroan’ireo tsy nahazo ireo toy ireo zokiolona sy vehivavy mananontena. Nivoaka ny faran’ny herinandro teo moa ny lisitra mirakitra ny anaran’ireo nahazo izany. Niala maina toy ny takotra kosa ireo tsy tao anaty lisitra izay nitokona nanoloana ny biraom-pokontany mihitsy tsy nisy azo natao. Efa nasaina nanao sonia mantsy hono izy ireo, sonia tsy fantatra hoe : hanaovana inona ? Tsiahivina moa fa sahirana ihany koa ny ankamaroan’ireo olona tsy nahazo teny Fenoarivo izay efa nanaovan’ny mponina fitarainana saingy tsy nahazoam-baliny hatreto.
Pati
Legende : Nidina nitety tokantrano tahaka izao mihitsy ny solontenan’ny FID saingy ireo tena sahirana indray no taraiky !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT