Sosialy

Fokontany 10 eto an-drenivohitra Notolorana bodofotsy ireo fianakaviana sahirana


  • Alarobia 21 Jona 2023

Amin’izao an-katoky ny fetin’ny Asaramanitra sy ny fiatombohan’ny vanim-potoana ririnina izao dia nizara bodofotsy

maimaim-poana ho an’ireo fianakaviana sahirana manerana ireo fokontany miisa 10 eto Antananarivo renivohitra ny orinasa STAR izay niarahany tamin’ny Consulat de Monaco.Tamin’ity taona ity dia ireo fianakaviana hahitana reny miahy tena, reny mananon-tena, olona marefo manana zaza latsaky ny 5 taona avy amin’ny Fokontany Ambohimanandray, Ankorondrano Andrefana, Ambodiakondro, Ambohibao Iavoloha, Analakely, Ambodifakarana, Andranonahoatra, Itaosy, Ambohitrarahaba, Sabotsy Namehana no nahazo izany bodofotsy firakotra mafana izany. Niantohan’ny STAR iray manontolo ity hetsika fizaràna bodofotsy ity ary ny fanomezana izany isaky ny fokontany kosa no nanampian’ny Consulat de Monaco. Raha araka ny fantatra moa dia hahazo bodofotsy koa ireo faritra mangatsiaka misy ny orinasa STAR raha PPN kosa ny an’ny hafa. 70 isa isaky ny faritra no hisitraka izany, raha araka ny fanazavan-dRtoa Seheno Randriambolamanana, Talen'ny Serasera eo anivon’ny orinasa STAR.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT