Sosialy

Fokontanin’Ankorondrano Atsinanana Fianakaviana 50 tafo dibo-drano tanteraka


  • Alakamisy 09 Janoary 2020

Velon-taraina ireo mponina eny amin’ny fokontany Ankorondrano Atsinanana amin’izao fotoana izao noho ny rano tafiditra ao an-trano.

 

Nandritra ireny ora-mikija ireny dia tafiditry ny rano avokoa ny tokantrano ary miaina anaty fijaliana izy ireo. Nangataka ny mponina izay nosoloin’Atoa Ranaivo Gabriel teny fa tokony averina amin’ny taloha ny lakan-drano mamarina ireo ranon’orana sy rano maloto eo amin’ny fokontany. Amin’izao fotoana izao mantsy dia tena tery sy kely ny lakandrano ary tsy maharaka amin’ny fanariana ny ranon’orana sy ny rano maloto. Efa maro be ny fitarainana nataon’ny mponina saingy hatreto dia antsoantso any an’efitra no tsapa. Ny filohan’ny fokontany ankehitriny aza moa dia milaza mazava hoy ny fitarainan’ny mponina  fa tsy mahita vahaolana manoloana izao trangan-javatra izao. Na ny Shoprite eny an-toerana na ireo trano gasy manakaiky ny hotely tamboho sy ireo trano mijoalajoala dia manary rano amin’ny lakandrano kely avokoa ary rariny raha dibo-drano ireo faritra iva. Maro ny fokontany misedra olana sahala amin’izao ankehitriny, anisan’izany ihany koa ny fanotorana tany eo ampitan’ny masera Ankorondrano Andrefana amin’izao fotoana izao. Karana iray no voatonontonon’ny mponina hanangana Hotely lehibe kanefa manametatra ny manodidina rehetra ary miteraka fahasorenana amin’ny mponina eny. Mila jerena haingana ireo olana mahakasika izany satria maro ihany koa ny manararaotra ny amin’ny mbola tsy fisian’ny ben’ny tanàna  raikitra eto Antananarivo ka manao izay saim-pantany avokoa.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT