Nifarana afak'omaly Alahady 07 Septambra teny
amin'ny efitrano fandraisana fivoriana iraisam-pirenena eny Ivato rehefa naharitra 4 andro ilay foara iraisam-pirenena momba ny fambolena sy ny festival de la gastronomie nokarakarain'ny Madavision. Marobe ireo olona tonga namaly ny antso raha araka ny fanazavan-dRandrianasolo Hery, tompon'andraikitry ny serasera eo anivon'ny Madavision. Tafiditra tao anatin'izany ireo miantsehatra amin'ny fambolena sy ny jono. Fa tsy latsa-danja tamin'ireo ihany koa ireo vahiny mpikarakara sy mpahandro sakafo avy atsy amin'ny Nosy rahavavy La Réunion. Toraka izany koa ny avy any Japon sy ireo sefo mpahandro sy mpahay sakafo eto amintsika. Fahombiazana tanteraka no azon'izy ireo raha araka ny fanazavan'ny mpikarakara. Nisaotra sy mankasitraka ireo tonga namaly ny antso araka izany izy ireo ary manome fotoana sahady amin'ny datin'ny 23 ka hatramin'ny 26 Oktobra ho avy izao mandritra ny fotoana hanaovany ilay Salon de l'habitat. Tsiahivina moa fa anisan'ny nampiavaka ity foara ity ny fampisehoana notontosain'i Samoela tamin'ny Sabotsy 06 Septambra hariva lasa teo izay nahavory olona marobe tokoa.
Pati
Légende : Hery Randrianasolo, tompon'andraikitry ny serasera eo anivon'ny Madavision !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.