Sosialy

Fofona maimbo niparitaka tao Toamasina Efa fantatra ilay orinasa nivoahany


  • Talata 18 Septambra 2018

anisan’ny vaovao iray nalaza be tao Toamasina, herinandro maromaro lasa izay ny fisian’ilay fofona maimbo nanempotra sy nankarary tratra olona maro.

Nisy mihitsy ireo voatery niditra hopitaly narahin’ny fitarainana tonga teny anivon’ny faritra. Nambaran’ny lehiben’ny faritra Atsinanana Atoa Talata Michel  fa tena nisy tokoa io fofona maimbo niparitaka io. Faritra maro no lasibatra toa an’i Mangarano, Tsarakofafa, hoy izy.Tsy nipetra-potsiny ny faritra Atsinanana fa nidina ifotony nijery ny zava-misy. Orinasa maromaro no nanaovany fanaraha-maso ka iray tamin’ireo no nivoahan’ilay fofona. Orinasa nikasa hanao fanitarana izy io saingy noho ny  fofona maimbo  niparitaka navoakany dia voatery natsahatra mba hitandroana ny fahasalaman’ny mponina. Nomarihiny manokana  fa anisan’ny niaraka tamin’izy ireo nanao fidinana ifotony ny ofisim-pirenena misahana ny tontolo iainana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT