Sosialy

Fofona maimbo eny Andraharo Matahotra amin’ny fahasalamany ny mponina


  • Alatsinainy 22 Jona 2020

Misy fofona manempotra ireo mponina miparitaka efa ho volana maromaro izao eny Andraharo eny. Sady maimbo izy io no mahery vaika ary mamoaka rano maintimainty be toy ny misy akora simika rehefa ety ivelany hoy ny mponina.

 

 

 

Maty avokoa ireo pirina sy foza niaina tamin’ilay lakan-drano nolalovany raha araka ny fanazavan’ny mponina hatrany, raha tapitra voan’ny sery daholo ihany koa ireo voasokajy ho marefo toy ny ankizy sy ny zokiolona eny an-toerana. Orinasa iray lehibe miorina eny an-toerana no mamoaka io fofona io, raha ny fantatra hatrany. Efa nampahafantarina ny mikasika izany ny Fokontany sy ireo tompon’andraikitra isanisany saingy hatreto mbola tsy nisy ihany ny fandraisana fepetra mikasika io orinasa io. Raha araka ny fanadihadiana nataon’ireo mponina hatrany dia mety hiteraka ny homamiadan’ny ra ho azy ireo ity fofona maimbo mahery vaika ity raha maharitra an-taonany maro no iainany izany. Miantso ny Ben’ny tananan’Antananarivo mba hidina ifotony hijery ny zava-misy eny an-toerana araka izany ny mponina. EPP iray eny an-toerana ihany koa mantsy amin’izao no efa mievoka tsy an-kiato io fofona io izay misy mpianatra an-jatony. Tsy nahazoana vaovao fanampiny mifandraika tamin’ity tranga ity moa ny tompon’andraikitra ao amin’ilay orinasa sy ny Fokontany.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT