FOFIFA_Fambolem-bary

Hamokatra masomboly manampy ny fiarovana amin’ny aretikibo


  • Zoma 01 Martsa 2024

Mankalaza ny faha-50 taona nitsanganany ankehitriny ny "FOFIFA"

na Foibem-pirenena momba ny Fikarohana ampiharina amin'ny Fampandrosoana ny eny Ambanivohitra. Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana no nanombohana ny taom-pankalazana, omaly 29 febroary 2024, tetsy amin’ny
Lanonana izay teo ambany fitarihin’ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana Andriamatoa Ratohiarijaona R. Suzelin, sy ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiantifika ary notron’ireo mpiara miombon’antoka maro. Hisy ny fambolen-kazo izay hotanterahana ny 6 martsa 2024 ao ihany koa ireo hetsika maro samy hafa izay ho tanterahin’ny fianakavim-ben’ny FOFIFA hatramin’ny voalohan’ny taona 2025, izay hiafaran'ny taom-pankalazana. Momba ny fikarohana ara-pambolena kosa, hamoaka karazana vary vaovao ny FOFIFA afaka herinandro vitsy, raha ny nambaran'ny tale jeneraly misahana ity foibem-pikarohana ity, Razafinjara Aimé Lala, notaterin’ny fampahalalam-baovao iray omaly. Ny mahasamihafa azy amin'ny vary sasany dia noho izy ahitana ''Zinc'' bebe kokoa. ''Zinc'' no natevenina satria manampy be amin'ny fiarovana amin'ny aretikibo izay mateti-pitranga tato ho ato, indrindra ho an'ny zaza. Anisany ilofosan'ny FOFIFA ny fanatevenana ny singa be hotrikaina amin'ny vary mba tsy hahavoky ny kibo fotsiny fa hapitombo hery sy hitondra fahasalamana ho an'ny vatanolombelona iray koa, ka amin'ny alalan'ny fikarohana no ahafahana manao izany, hoy hatrany ny fanazavana. Anisan’ny imasoana ihany koa amin’izao ny fikarohana hiadiana amin’ny aretim-bary,…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT