Sosialy

Foara Vidy Varotra faha-11 Mpitsidika 50 000 no andrasana etsy Mahamasina


  • Zoma 22 Novambra 2019

Hiverina ny Foara Vidy Varotra ka hatao mandritra ny efatra andro dia 28-29-30 novambra, ary hifanarana ny 1 desambra etsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy Kolontsaina Mahamasina ny andiany faha-11.

 

 

Hetsika ara-barotra matihanina tanteraka io, izay nisy fiatoana tao anatin’ny 8 taona teo. Noho ny toe-draharaha nisy teto amin’ny firenena izay niaraha-nahita ary fantatray ny fiantraikany tamin’ny mpandraharaha no nisian’ny fiatoana taorian’ny andiany faha-10 ny taona 2011, hoy ny Tale Ara-barotry ny vondron’orinasa Atoa Schall Ramanantsoa. Nisy ny mbola nikarakara ary naniry ohatra ny anana fa manana ny mampiavaka azy ny Foara Vidy Varotra, hoy izy. Maro noho izany no nangataka ny hamerenana azy. Manomboka mihatsara ny fihariana, ka naverina ity foara goavana sy miavaka ity izay tosika ho an’ny mpandraharaha sy ny mpivarotra, hoy izy. Tranoheva maherin’ny 200 no hampirantian’ireo mpandraharaha sy mpivarotra ary orinasa maherin’ny 500 no haneho ny vokany hanomezana fahafaham-po ny mpitsidika heverina fa hahatratra 50 000 mahery mandritra io foara io, hoy ny fanazavan-dRaveloson Hasina mpandrindra ankapobeny ny hetsika. Ho matihanina tanteraka ny fandrindrana sy ny fitandroana ny filaminana. Mpanohana ny Foara Vidy Varotra andiany faha-11 moa ny Orange, Dzama, Big, Legrand,… Maro ny zavatra hampiavaka ny hetsika fanentanana ataon’ny Orange hahazoana T-shirt, Goodies,… Zoumba, Epace Manga, Espace Enfant,… Ny famaranana amin’ny 01 desambra no hanaovana antsapaka hahazoana tany 300m2, ka amin’ny alalan’ny tapakila fidirana rehefa miantsena ao amin’ny Foara Vidy Varotra no hahafaha-mandray anjara.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT