Hotanterahina ny alakamisy 28 novambra haharitra efatra andro ilay Foara Vidy Varotra andiany faha-11, karakarain’ny Vondrona Vidy Varotra
etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Hampiavaka ny hetsika ny fisian’ny fampisehoana ny fahaiza-manaon’ireo alika na “chiens de race” izay tena be mpankafy tokoa. Tsy mandoa vidim-pidirana ny olona iray mitondra alika fa miditra maimaimpoana ka sady afaka miantsena mankafy ireo karazan’entana hamidy mandritra ny foara izy no tsy mila misoratra anarana amin’ilay hetsika. Hisy koa ny fifaninanana hatsaran-tarehy ho an’ny alika, ny fijerena manokana ireo alika mahalala baiko… Hizarana loka isan-tsokajiny avy ireo telo mendrika indrindra, arahin’ny torohevitra maimaimpoana omena ny mpandray anjara rehetra. Tafiditra ao anatin’izany ny fitaizana ny alika tsirairay avy miankina amin’ny taranaka (race), ny sakafo tokony hohaniny, ny fitsaboana azy raha sanatria ka marary izy…. Mandritra ny efatra andro hanatanterahana ny foara moa no hisian’ity hetsika fampirantiana alika ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.