Sosialy

Foara nasionaly momba ny hoditra Hanomboka rahampitso ny “Akora Gasik’Art”


  • Alarobia 06 Oktobra 2021

Hotontosaina etsy amin’ny Zaridainan’Antaninarenina ny 7-8-9 oktobra izao ny Foara nasionaly lehibe momba ny hoditra na « Foire du cuir » mitondra ny anarana hoe :

 « Akora Gasik’art», eo ambany fiahian’ny Minisitry ny asa tànana sy haitao Rtoa Sophie Ratsiraka. Manohana izany ny tetikasa FAC/MAIR (Mécanisme d’Appui à l’Intégration Régionale) eo anivon’ny COMESA (Marché Commun de l’Afrique Orientale et Australe). Ho maimaimpoana ny fidirana, ahitana tranoheva 40 eo ho eo, ary 30 000-40 000 eo ny mpitsidika andrasana. « Ny 2020 dia 10 tapitrisa euros tany ho any ny vola nampidirin’ny asa tànana. Ny hoditra no resahina eto, izay goavana ny fiatrehantsika ny fifaninanana amin’ny Maraokanina fa aleo ho avy ny fitaovana. Afaka mifanatrika amin’ny firenen-kafa isika, manana ny kalitao, ary izay no naharesy lahatra ny FAC/MAIR COMESA izay efa nanadihady teto an-taonany maro ny manam-pahaizana avy aminy, ka nanapa-kevitra ny hanohana an’I Madagasikara izy”, hoy ny Tale Jeneralin’ny Asa tànana Atoa Ramanankavana Christian. Mandray anjara feno ny Fikambanana « Gasy Skin » vovonan’ireo mpikirakira hoditra eto Madaasikara. “Misy ny milina raitra sy avo lenta azon’I Madagasikara izay efa misy ampahany tonga, vao mainka hampiakatra ny fahaiza-manao sy ny kalitao”, hoy Atoa Freddy Randrianasolo Filohan’ny Gasy Skin, izay niantso ny mpisehatra amin’ny hoditra rehetra hanantona azy ireo ahafaha miara-manatsara ny kalitao sy ny tolotra. “Tsy COMESA irery, fa ny “Zone de libre échange Afrique continentale » izay efa idirantsika, dia vao mainka midadasika ny tsena, tsy ampy rahateo ny tolotra. Afaka hidirana ny any Eoropa, ny AGOA any Etazonia,… fa mila fiofanana izay efa mandeha. Maroc sy Kenya no tena atahorantsika, kanefa raha ireo masinina azo no haintsika ny mampiasa azy dia tena ho henjana sy tsara ny kalitao toy ny an’ny Italianina, hoy kosa Atoa Jhonny Raharindranto Coordonateur National FAC/MAIRE COMESA.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT